Voalohany dia nambaran’ny Filoham-pirenena fa hanova zava-dehibe eo amin’ny famahana ny krizy eto Madagasikara ny fivorian’ny TROIKA amin’ny faha-31 Martsa hoavy izao. Nazavainy fa efa nanao antso avo tamin’ny firenena Afrkana Tatsimo ny tenany mba hanampy amin’ny fivoahan’ny firenena amin’ny krizy ary dia nandefa iraka manokana avy hatrany ny fanjakana any an-toerana hijery ifotony ny tena olana.
Faharoa dia nodisoan’ny Filoha RAVALOMANANA tanteraka ny filazana fa miantso an’ireo mpamadika isa-maraina ny tenany. “Tsy miresaka afa-tsy amin’ireo mpitarika mivory ao Bel’Air ny tenako” hoy izy “ka aoka hatsahatra avy hatrany izany fisandohana izany”.
Fahatelo farany dia nambaran’ny Filoham-pirene Marc RAVALOMANANA fa tsy misy fepetra intsony ny ahafahany miverina an-tanindrazana avy hatrany.

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire